1 Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.

2 Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.

3 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.

4 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?

5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema , Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.

6 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.

7 Jehovah , tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.

8 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy*, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy]

9 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
